1 Corinthians 12

1Momba ireo fanomezam-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ahafantatra ianareo. 2Fantatrareo fa fony ianareo mpanompo sampy, dia voavily nankany amin’ireo sampy tsy manam-peo ianareo, tany amin’izay lalana rehetra nitarihin’ireny anareo. 3Noho izany tiako ho fantatrareo fa tsy misy olona izay miteny amin’ny Fanahin’Andriamanitra afaka miteny hoe: “Jesosy dia voaozona.” Tsy misy afaka miteny hoe: “Jesosy dia Tompo,” afa-tsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

4Ary misy fanomezam-panahy samihafa, fa Fanahy mitovy ihany. 5Misy fanompoana samihafa, fa Tompo mitovy ihany; 6ary misy karazan’asa samihafa, fa Andriamanitra mitovy ihany no manao azy ireo ho azo atao amin’ny tsirairay.

7Ary ho an’ny tsirairay no nomena ny fanehoana ivelan’ny Fanahy ho an’ny tombontsoan’ny rehetra. 8Fa ho an’ny olona iray dia nomena avy amin’ny Fanahy ny tenin’ny fahendrena, ary ho an’ny iray hafa ny tenin’ny fahalalana amin’ny alalan’ny Fanahy mitovy ihany.

9Ho an’ny iray hafa dia nomena ny finoana amin’ny alalan’ny Fanahy mitovy, ary ho an’ny iray hafa ireo fanomezam-pahasoavana hanasitrana amin’ny alalan’ny Fanahy iray. 10Ho an’ny iray hafa dia nomena ireo asan’ny hery, ary ho an’ny iray hafa faminaniana. Ho an’ny iray hafa dia nomena ny fahafahana manavaka ireo fanahy, ho an’ny iray hafa ireo karazana fiteny samihafa, ary ho an’ny iray hafa ny fandikana teny. 11Fa ny Fanahy iray sy mitovy ihany no miasa ao amin’izany rehetra izany, manome ireo fanomezam-panahy ho an’ny olona tsirairay avy, araka izay nofidiany.

12Fa satria ny vatana dia iray ary manana rantsana maro ary ny rehetra dia rantsan’ilay vatana ihany, noho izany dia miaraka amin’i Kristy izany. 13Fa tamin’ny alalan’ny Fanahy iray no nanaovana batisa antsika rehetra ho vatana iray, na ireo Jiosy na ireo Grika, na voafatotra na afaka, ary ny rehetra dia natao mba hisotro amin’ny Fanahy iray.

14Fa ny vatana dia tsy rantsana tokana, fa maro. 15Raha miteny ny tongotra hoe: “Satria tsy tanana aho, dia tsy rantsana amin’ny vatana aho,” izany dia tsy kely amin’ny rantsan’ny vatana akory. 16Ary raha ny sofina no hiteny hoe: “Satria tsy maso aho, dia tsy rantsana amin’ny vatana aho,” izany dia tsy kely amin’ny rantsan’ny vantana akory. 17Raha maso ny vatana rehetra, dia ho aiza ny fandrenesana? Raha sofina ny vatana rehetra, dia ho aiza ny fanimboloana?

18Fa Andriamanitra nandamina ny rantsan’ny vatana tsirairay araka ny namoronany izany. 19Raha rantsana mitovy ihany izy rehetra, aiza no hisy ny vatana? 20Ka izao dia rantsana maro izy ireo, fa vatana iray ihany.

21Ny maso tsy afaka miteny amin’ny tanana hoe: “Tsy misy ilàko anao.” Na ny loha tsy hiteny amin’ny tongotra hoe: “Tsy misy ilàko anao.” 22Fa ireo rantsana amin’ny vatana izay miseho ho malemy kokoa dia tena ilaina, 23ary ireo rantsan’ny vatana izay heverintsika fa tsy dia manan-danja, dia omentsika lanja lehibe kokoa ireo, ary ireo rantsantsika tsy fampiseho dia manana fahamendrehana mihoatra. 24Ary ny rantsantsika fampiseho dia tsy mila entina amin’ny fahamendrehana, fa ireo dia efa manana fahamendrehana. Fa Andriamanitra nampikambana ny rantsana rehetra miaraka, ary izy nanome lanja kokoa an’ireo izay tsy ampy izany.

25Nanao izany Izy mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny vatana, fa mba hifampikarakara amin’ny fitiavana mitovy ireo rantsana. 26Noho izany rehefa mijaly ny rantsana iray, dia miara-mijaly ireo rantsana rehetra; na rehefa omen-danja ny rantsana iray, dia miara-mifaly ny rantsana rehetra. 27Ary ianareo dia vatan’i Kristy ary rantsana amin’izany ny tsirairay.

28Ary Andriamanitra nanendry tao amin’ny fiangonana ireo apostoly aloha, faharoa ireo mpaminany, fahatelo ireo mpampianatra, avy eo ireo izay manao asa mahagaga, avy eo ireo fanomezam-pahasoavana hanasitrana, ireo izay manome fanampiana, ireo izay manao ny asan’ny fitantanan-draharaha, ary ireo izay manana karazana fiteny samihafa. 29Apostoly ve izy rehetra? Mpaminany avokoa ve? Mpampianatra avokoa ve? Manao asa mahagaga avokoa ve ny rehetra?

30Manana fanomezam-panahy hanasitrana ve izy rehetra? Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra ve izy rehetra? Mandika teny ve izy rehetra? Katsaho fatrara ireo fanomezam-panahy lehibe kokoa. Fa hampiseho anareo lalana tsaratsara kokoa aho.

31

Copyright information for PltULB